Ireo Karazana Zavamaniry Tena Fampiasa Amin'ny Toerana Iray
Bibliographic Data
Nandritra ny herinandron’ny 21 martsa 2005 dia nototosaina tao amin’ny KNARP (Karoka Nasionaly Ampiharana ny Raki-Panafody) Antananarivo ny atrika’asa fianarana ny fifandraisan’ny koltora, ny olona, ny zavamaniry ary ny tontolo iainana. Ny atrik’asa dia nokarakarain’ny Missouri Botanical Garden (MBG) sy ny KNARP izay misolotena ny “International Cooperative Biodiversity Group” ao anatin’ny tetik’asa hikarohana fanafody vaovao eto Madagasikara. Nizara roa moa ny fomba nitondrana an’ity atrik’asa ity ka ny tapany voalohany dia fampianarana an-dakilasy izay natao tao Antananarivo ary ny tapany faharoa fampiharana eny ambanivohitra ka tamin’ireo tanàna manodidina ny alan’Analalava ao anatin’ny kaominin’ny Mahavelona (Foulpointe) no voasafidy nanaovana izany. Nisy lohahevitra maromaro nozaraina tamin’ny mpandray anjara hanaovana ny fampiharana. Ny fanadiahadiana izay nataoko dia mikasika Ny zavamaniry tena ilain’ny olona amin’ny fiainany andavanandro amin’ny toerana iray. Ity lahatsoratra ity izany dia mandravona ny valin’ny fanadihadiana natao tao Morarano mikasika an’io lohahevitra io. I Morarano dia tanàna eo amin’ny5 km atsimo andrefan’ny alan’Analalava (saritany 1), sahabo ho 15 km ao atsimo andrefan’i Mahavelona (renivohitry ny kaominina), ao anatin’ny faritanin’ny Toamasina. Ny maridrefy ara-jeografika misy azy dia ny latitida 17° 43’ 54” S (Atsimo) sy ny longitida 49° 25’ 38” E (Atsinana). Ny haavony raha oharina amin’ny ranomasina dia 70 m eo ho eo. Avy amin’ny foko Betsimisaraka ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ity tanàna ity ary mahatratra hatramin’ny telonjato (300) ny isany. Saika mpamboly avokoa izy ireo
Art · African Botany and Ecology Studies · Agriculture and Rural Development Research · Pacific and Southeast Asian Studies
| Citations per year | 0.05 |
|---|---|
| Citation span | 2005 - 2005 (1) |
| Highly cited | No |